LANY ANDRO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LANY ANDRO




Lany andro mifanandrina
isika mianakavy
ka tsisy iray voatandrina
ny toky be matavy.



Lany andro mihaza lambo
toy ny tsisy atao
ka tara tamin’ny sambo
lasa toa nandao.



Lany andro mifandrafy
fa tia tena loatra
ka mizaka ny ady mafy
sy tsy afa-mivoatra.



Lany andro be kabary,
ho hita lalandava
ka tsy nahavaha ny vary
ilaina hampisava !



Lany andro be tsikera
fa mila ny lafatra
ka eto ihany, mihevera,
na efa nisasatra !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118