LAVENONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVENONA




May ianao, ry rova,
May ianao, ry lova !
Nilevona avokoa
ireny zava-tsoa !



Veloma, ry tantara,
tsy dia voazarazara,
lena ange ny maso
fa hita hoe ankaso.



Veloma, ry harena,
nataoko volamena ;
manetroka eto sisa
ny kila tsy hita isa.



Veloma, ry tsy foiko,
fa ontsa re ny foko ;
lavenona be daholo
ny tahiry tsy voasolo.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - ahy - Tanindrazana
1334 1
Mpakafy: karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4422