LAZAO AHY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO AHY





Lazao ahy nahoana
no very ny amintsika
fa ny eto manoloana,
lany hira sy mozika !




Lazao ahy nahoana
no navela ny taloha
fa anio; lasa moana
ny toky tsy mba roa.




Lazao ahy nahoana
no nialana ny voady
fa efa antaranoana
no tanjona nianjady.




Lazao ahy nahoana
no nasolo ny nilaiko
fa ny alahelo foana
no misisika, ry aiko.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
19 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/07/2026 14:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117