MAHABE FINOANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHABE FINOANAMahabe finoana
ny lamin-tsaina
rehefa ikaloana
eto vao maraina.
Mahabe finoana
ny tigetra maro
rehefa irosoana
sy tsy afangaro.
Mahabe finoana
ny asa ikirizana
rehefa ijoroana,
na mamizana !
Mahabe finoana
ny fitahiana soa
rehefa iravoana
ny misy avokoa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
