MAHAY MANOME (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAY MANOME




Mahay manome
dia zava-dehibe
ahitam-pitiavana
miaina finiavana.



Mahay manome
dia antoka ange
ho firaisan-kina
no azo itafiana.



Mahay manome
dia haravoana re
mahafinaritra ery
matoa mankafy.



Mahay manome
dia mampandeha
ny fiarahamonina
fa tsy noforonina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
346 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121