MALALAKO INY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALAKO INY




Malalako iny,
ny hafaliany
dia hafaliako
no mba tiako.



Malalako iny,
ny faniriany
dia faniriako
no ampiako.



Malalako iny,
ny fijaliany
dia fijaliako
no nofidiko.



Malalako iny,
ny fihafiany
dia fihafiako
ka tsy ariako.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
494 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.027