MAMOHA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMOHA




Mamoha fitia
izao, chérie,
ka aza igagana
raha tsy tana
ny hetsi-po
izay mba to
mahamirana
ka Ifikirana
moramora
mba ho ora
sarobidy
no mandidy
eto hatrany,
hoy ny tany,
ho antsika
raha adika
vetivety
ary hitety
hafaliana
mahasina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
398 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119