MAMPANANTENA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMPANANTENA




Ny taona vaovao
dia mampanantena
hoavy dieny izao
hivatsy fandresena.



Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa hisy ao ho ao
ny vola aman-karena.



Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa hifamahofaho
irony tsiky sesehena.



Ny taona vaovao
dia mampanantena
fa tsy mba tsaho
ireo tanjona nekena.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
539 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124