MANDALO NY ZAVA-DREHETRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDALO NY ZAVA-DREHETRA




Mandalo ny zava-drehetra
ka araraoty mandrakariva
ny hafaliana mba hitoetra
tsy amin'izato feo iva.



Mandalo ny zava-drehetra
ka eritrereto izay hahasoa
fa aoka ianao tsy hitsetra
raha te ho tretrika tokoa.



Mandalo ny zava-drehetra
ka tanteraho re ny tanjona
isan'andro tsy misy fepetra
tsy misy fosa sy anjona.



Mandalo ny zava-drehetra
ka asio vavaka lalandava
no farany fa ilay tarigetra,
mampiranga ny mazava.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
163 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117