MANOKATRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANOKATRA




Ny vavaka no varavarana
manokatra hazavana
tsy manam-pitsaharana
tomefy fahagagana.



Ny vavaka no varavarana
manokatra hafaliana
manova ho fandaharana
izay tena faniriana.



Ny vavaka no varavarana
manokatra hamaraina
mitondra fahasambarana
tsy mba hay lazaina.



Ny vavaka no varavarana
manokatra hazotoana
ho lany eto ny fiakarana,
hampisaotra etoana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0293