MARAINAKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINAKO






Marainako omaly :
fahakambotiana
norakofako voaly
fa nampahoriana.





Marainako anio :
fanambadiana,
mamiko izy io
fa be fitahiana.





Marainako ho avy :
tsy ho fanahiana
fa hampiraviravy
ny soa izay nirina.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0197