MARI-PAHAMBANIANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARI-PAHAMBANIANA





Mari-pahambaniana
ny manimba zavatra,
mifono habibiana
sy alahelo fatratra.




Mari-pahambaniana
ny tia mamaly ratsy
fa tsy ho fitahiana
hahazoana vatsy.




Mari-pahambaniana
ny mialona fahatany
hita ho faharatsiana
tsy mahasoa ny tany.




Mari-pahambaniana
'zay tia mamaly faty,
tsy hahazo fitoniana
ny sainy ka soraty !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
518 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 24/09/2019 07:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0297