MBOLA IANAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA IANAOMbola ianao
no tiako hananana
ka ambarao
ho tena fiadanana.
Mbola ianao
no tiako hiarahana
Ka hanavao
matoa ivavahana.
Mbola ianao
no tiako horohana
avy handao
ny mafy nogohana.
Mbola ianao
no tiako holalaina
ka mba afaho
ity gejan'ny saina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
