MIARAKA AMIN'NY HIRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIARAKA AMIN'NY HIRA




Miaraka amin'ny hira,
mahafinaritra ny fiainana,
mandihiza, mamikira
fa aza asiana fahalainana.



Miaraka amin'ny hira,
ny tontolo dia ravo kokoa,
tsy rediredy na arira
fa zava-mitombina tokoa.



Miaraka amin'ny hira,
mora vita izany izay atao ;
mandrosoa, midira,
jereo fa hahavariana anao.



Miaraka amin'ny hira,
tototra haingo ny fitiavana
tsy mba voaviravira
fa itoeran'ny fahasoavana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
376 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012