MILA ANKAMAMIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA ANKAMAMIANA





Mila ankamamiana
ny fiainana eto an-tany
vao hahita fifaliana
amin'zay atao hatrany.




Mila ankamamiana
ny asa aman-draharaha
vao tsy ho fijaliana,
na ny asan'ny tantsaha.




Mila ankamamiana
ny andraikitra sahanina
vao indro fitahiana
no manomboka tazanina.




Mila ankamamiana
ny adidy tsy hay ialana
vao misy fitoniana
ny andro mahatamana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
376 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114