MIROTSAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIROTSAKA





Mirotsaka daholo
‘zay te ho Filoha
toa mamono lolo
fa hahavita soa.



Mirotsaka daholo
‘zay te hofidina
mihoatra ny folo
fa tena hoe liana.



Mirotsaka daholo
ny te hahazo seza
fa afaka hanolo
‘ty lala-mideza !



Mirotsaka daholo
‘reo mpanam-bola
ka ‘tony tontolo
toa voavolavola…



Ny tsara sy mendrika
dia hita eny ihany
amin-bika sy endrika
vao miteny izany.



Ny tsara sy alehany
dia hita eny foana,
na eo izay firehany,
na ahoana na ahoana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
914 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111