MITADY FO TONY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY FO TONYMitady fo tony
ny fiainako etoana
tsy hisy intsony
ireo fanesoesoana.
Mitady fo tony
ny andro mitranga
ho avy hamony
ny soa nahabanga.
Mitady fo tony
ny lalan-kombana
tsy ho lonilony
no indro hanafana.
Mitady fo tony
ny sedra namizana
namely vavony
ka tsy hotohizana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
