MORA MARATRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MORA MARATRA





Mora maratra
ny tsara fanahy
hita mamahatra
tsy misy ahiahy.




Mora maratra
ny olo-mahitsy
rehefa tsy zatra
ny hafa mihitsy.




Mora maratra
ny olona tsotra
rehefa tsy tratra
ny tiana hizota.




Mora maratra
ny marina lava
rehefa mihatra
ny tsy mazava.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1002 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0145