NAHASAMBATRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHASAMBATRA





Ny nahasambatra ahy
dia ny mba nanekena
ny foko amam-panahy
tsotra izao ka miorena.




Ny nahasambatra ahy
dia tsy mba nisalasala,
na ahoana fa toa sahy
nitia ery sy tsy te hiala.




Ny nahasambatra ahy
dia itony fahatsorana
nampiaiky foana, lahy,
nahafaly vao nizorana.




Ny nahasambatra ahy
dia itony fanohanana
raha feno re ny tsiahy
sy nisy koa fiadanana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/10/2026 14:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179