NAMPIASAINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMPIASAINY





Nampiasainy ny vahoaka
hahazoany ny fahefana,
ka rehefa tafavoaka,
nanadino izay nitana !


Nampiasainy ny vahoaka
ho fitaovana niakarana,
ka rehefa tsy nitsoaka,
toa nanidy varavarana.


Nampiasainy ny vahoaka
hahazoany tombon-tsoa,
ka rehefa tsy voaroaka,
nampitifitra tokoa !


Nampiasainy ny vahoaka
hamenoana paosy lava,
ka rehefa tsy nipoaka
dia ny jadona no tava !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
859 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117