NANANTENA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANANTENANanantena
tsy ho tratran’ny alok’akoho
iny tangena
nivadika adala vao nisy nanjo.
Nanantena
tsy ho tratran’ity maizim-bolana
ka nihenahena
vao niantso vonjeo sy nisolantsolana.
Nanantena
tsy ho tratran’ny kapoka marina
ka nivembena
vao nifosafosa sy mba nivarina.
Nanantena
tsy ho tratran’ny andro sy taona
ka very harena
vao ranomaso no nasesika foana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo
Commentaires
sitlo
(
16/02/2008 16:57)
masaka
masaka be
masaka be
