NANARAM-PO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANARAM-PO



Nanaram-po fahazaza
ka maka kitay fotsy volo
iny trotraka lasa mpihaza
fa resy tsy mana-mpisolo.




Nanaram-po tsy nisaina
ka antitra vao ratsy laoka
iny tretrika tonga nangaina
sy menatra nitsoatsoaka.




Nanaram-po fiadanana
ka tsy nahatsinjo ny soa
iny tola tonga tsy nanana
sy matin’ny nenina koa.




Nanaram-po tsisy farany
ka reraka vao tsisy trano
iny ory nanova ny anarany
sy mbola nidiran’ny angano.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0149