NANIRY AHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANIRY AHYIanao no naniry ahy
ka nekeko tanteraka,
na saika tsy ho sahy
vao sento no teraka.
Ianao no naniry ahy
ka itony fandavana
tsy nanintona, lahy,
fa namoa fitiavana.
Ianao no naniry ahy
ka hajaiko mangina
fa mahafaly fanahy
rehefa eto ampiana.
Ianao no naniry ahy
ka tsy foiko mihitsy,
tsy ivoizako ahiahy
fa dia toky mahitsy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
