NATAO IRAY... (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NATAO IRAY...Natao iray fanahy
ny mpivady ;
natao hifampiahy
f'efa nivoady.
Natao iray saina
ny mpivady ;
natao hifampiaina
ny mianjady.
Natao iray safidy
ny mpivady ;
natao iray handidy,
aza fady !
Natao iray tigetra
ny mpivady ;
natao iray toetra
fa tsy miady.
Fredy JAOFERA
.
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
