NY AINGAMPANAHY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AINGAMPANAHY





Ny aingampanahy
no ranomaintin'ny soratra
mitaona foana ahy
vao manembona, ohatra.




Ny aingampanahy
no kintana manan-drambo
manazava eto, lahy,
sy toy ny entin'ny sambo.




Ny aingampanahy
no mba fitoriam-pitiavana
tena mahay miahy
efa nahazo fankatoavana.




Ny aingampanahy
no hevitry ny mpamorona
tsy manana ahiahy
fa toy ireny lasam-borona.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
515 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0576