NY DEVOLY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY DEVOLY




Ny devoly dia mandrava
'rony fikasana lalandava
tsy ho tanteraka mihitsy
no lazaina tsy mitsitsy.



Ny devoly dia mamono
ny hetaheta izay mifono
ny tarigetra izay izorana
entina am-pahatsorana.



Ny dévoly dia mandolo
ny lahasa tsy hisy zoto
hahaketraka eny foana
ho feno jaly hanoloana.



Ny devoly dia mandoza
tsy hivimbinana kitoza,
tsy hahavitana zavatra
ankehitriny no hafatra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
585 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119