NY EO IHANY NO EO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY EO IHANY NO EO




Ny eo ihany no eo
ny zava-misy eto
ka mila hankaleo
fa mba eritrereto.



Ny eo ihany no eo
ny fiainantsika re
ka saino sy jereo
fa tsy mandeha !



Ny eo ihany no eo
izay efa hakiviana,
toy izany ny toreo
raha toa ampiana.



Ny eo ihany no eo
ity mahasahirana,
zara raha miseho
ny ezaka ifikirana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
17 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122