NY FAHANTRANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHANTRANAManala fitiavana
ny fahantrana ;
manala finiavana
ny hitafana !
Mivoy haratsiana
ny fahantrana ;
mivoy hakiviana
tsara hialana.
Mamono henatra
ny fahantrana ;
mamono tselatra
be hazavana.
Mamoha hambo
ny fahantrana ;
mamoha lambo
tena igagana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fahantrana - fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
