NY FANAMBADIANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanambadiana dia zavatra masina
ka tandrovy lava izay hanajana azy ;
manonja fitiavana toa ranomasina,
tsy atao kilalao na koa vazivazy .



Ny fanambadiana dia zavatra harena
mba notolorana hahatsara firindra,
koa aza hadinoina ny voady nekena
f’efa natambatra hiaraka hamindra.



Ny fanambadiana dia zavatra lalana
tomefy adiady sy ‘reo fifanoherana
ka ataovy izany tsy ho hita mibahana
fa mainka hampijoro fifandeferana.



Ny fanambadiana dia zavatra Anjara
efa noforonina hampiray tarigetra,
sady ny hahazoana dimby aman-para
hanome hasambarana tsy misy fetra.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
6972 1
Fans: bruno16
Commentaires
katiaa ( 25/04/2007 19:26)
defzay zany kou
SOBIKA ( 09/05/2007 14:20)
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 25/04/2007 11:17
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119