NY FANANAM-PAHATSORANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANANAM-PAHATSORANA





Ny fananam-pahatsorana,
fananam-pahamboniana
mendika foana hizorana
raha te hahazo fitoniana.




Ny fananam-pahatsorana
no fananam-pahazavana,
tsy mba mahalala orana
fa maneho ny hatsarana.




Ny fananam-pahatsorana
no fananan-kasambarana
mbola mety anamborana
ny mamy vao fivoarana.




Ny fananam-pahatsorana
no fananam-pilaminana
raha izao mbola tolorana
fa loharam-panambinana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
695 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117