NY FIANAKAVIANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIANAKAVIANAToeram-pitiavana
ny fianakaviana
feno fahasoavana
sy ireo fifaliana.
Toeram-piadanana
ny fianakaviana,
toky hananganana
ny firaisan-kina.
Toeram-pivoarana
ny fianakaviana
mety azo ianarana
ny tanjona tiana.
Toeram-piarahana
ny fianakaviana
vao hita mibahana
'reo hamamiana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fianakaviana - fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana