Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY HERINTSAINA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HERINTSAINANy herintsaina
misy faharesena
no azo antenaina
hivoy fandresena.
Ny herintsaina
misy fahakiviana
no tolona zakaina
rako-pahasahiana.
Ny herintsaina
misy fananarana
no zavatra ilaina
ho hasambarana.
Ny herintsaina
misy fitokisana
no toetra lazaina
be fahamafisana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
