Ampidiro aloha ny tenimiafina
NY KOLONTSAINA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY KOLONTSAINANy kolontsaina
dia varavarana
mora vohaina
raha ivoarana.
Ny kolontsaina
dia soatoavina
tsara hohajaina
ka aza lavina !
Ny kolontsaina
dia fahendrena
tsy viraviraina
no sady harena.
Ny kolontsaina
dia fanabeazana
natao hozaraina
hahombiazana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
