NY LOHAM-PIANARANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LOHAM-PIANARANANy loham-pianarana,
mahita fandaharana
hitondrana fiainana
lavi-panaintainana.
Ny loham-pianarana,
mahalala varavarana
mamoha ny fitahiana
ao amin'izay nirina.
Ny loham-pianarana
manova ny fiakarana
ho feno ireo fidinana
toy ny fanambinana.
Ny loham-pianarana,
miaro hasambarana
ho ny fahombiazana
eny re no hotoazana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
