NY MASOANDRO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MASOANDRO





Ny masoandro rehefa hiseho
dia tonga hitara-pahazavana,
tsy hamerimberina ho toreo
ny andro lasa izay nialana.




Ny masoandro rehefa hiseho
dia hamirapiratra ny tanjona,
hamelombelona eo no ho eo
ny nofinofy mahatalanjona.




Ny masoandro rehefa hiseho
dia hampipoitra lamin-tsaina,
hampiainga ho azy 'tony feo
hihirahira tsy hay lazaina.




Ny masoandro rehefa hiseho
dia hitondra maro hafanana,
tsy azo ambara ho mankaleo
fa mbola hitory fahagagana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
979 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124