NY NOFIKO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOFIKOZava-misy ny nofiko
tao am-pandiana
ka indro re atsofiko
hivatsy fitoniana.
Zava-misy ny nofiko
nipoitra nanazava
ka nisinda ny rofiko
sy miramiran-tava.
Zava-msy ny nofiko
nanaitra itony tory ;
nisy hanitra ny fofiko
tsy nahalala ory !...
Zava-misy ny nofiko :
iny ianao niseho ;
asa fa ny notsofiko
nahenoana feo ?
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
