NY OLOMBELONA IHANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY OLOMBELONA IHANY





Ny olombelona ihany
no manimba ny tany,
mandrava ny misy
ho foana, indrisy !




Ny olombelona ihany
no mitondra tomany,
mahabe fahoriana
sy ireo hakiviana.




Ny olombelona ihany
no fahavalo hatrany,
mamorona ny ady
tsy hahatomady.




Ny olombelona ihany
no poizina aok'izany
mamono ny halany
tsy haka ny lalany.





Fredy JAOFERA

,
--------
Rohy:
680 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128