NY OLONA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY OLONANy olona tsy azo natoro,
matetika tsy afa-mijoro,
matetika tsy afa-mitraka
fa resy sy toa mivanaka.
Ny olona tsy azo tenenina,
jereo fa toa be marenina,
voan'ny sakodim-panina,
na aiza na aiza tazanina !
Ny olona tsy azo nahitsy,
kenda vao miova mihitsy,
maina vao afaka hahazo
fa maivana toa ravinkazo.
Ny olona tsy azo nanarina,
matetika mora mivarina,
matetika toa tsy mahita
'zay lalana mahatafita.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: