NY OTA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY OTA





Ny ota no ampiasainy
fa tsy betsaka ny soa
no azony andrandrainy
hahombiazana tokoa.




Ny ota no isondrotany
fa tsy misy re ny tsara
mba azo isarangotany
hahamiratra ny anjara.




Ny ota no andrehetany
ny nofinofy tsy tontosa
vao indro hafinaretany
no mipoitra sy misosa.




Ny ota no anankinany
ny vesatry ny fiainana
f'izay no fanambinany
tsy misara-pitarainana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/01/2023 16:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151