NY RATSY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RATSY





Ny ratsy dia miverina
amin'izay nandefa azy
rehefa injao heverina
ka mainka manasazy.




Ny ratsy dia miaraka
amin'ny lainga foana
tsy mba mandraraka
ny mety, na ahoana ?




Ny ratsy dia mihosina
amin'ny fitaka marina
ka raha vao mitrosina
dia jereo fa mivarina !




Ny ratsy dia mikasika
an'ireo itoeran-devoly
sy sehatra midadasika
mankahala ny baiboly.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/01/2023 19:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103