NY RAY AMAN-DRENY TSARA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RAY AMAN-DRENY TSARA





Ny ray aman-dreny tsara,
fitahiana ho an'ny zanaka
rehefa mahay mikarakara
azy ireny, na dia lanaka !




Ny ray aman-dreny tsara,
diamondra tsy azo asolo
rehefa indro fa mandrara
ny mamely anao daholo.




Ny ray aman-dreny tsara,
andry marina eto an-tany
rehefa vonona ny hizara
ny sedranao tsy hita lany.




Ny ray aman-dreny tsara,
Andriamanitra hita maso
mahasambatra ny anjara
tsy hizoran'irony ankaso.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1360 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119