NY RENY TIA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RENY TIANy reny tia,
tsy mba manaratsy,
na sanatria,
te hanimba vatsy.
Ny reny tia,
tsy mba manambany
fa ho doria,
manondrotra hatrany.
Ny reny tia,
tsy mba manangoly
ka mangia
tsy ahafaha-miala voly.
Ny reny tia,
tsy mba manakivy
na anjoria
mifono be angivy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy - ahy