NY SITRAPON'NY AVO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SITRAPON'NY AVO





Ny sitrapon'Ny Avo
dia ilay soa sarobidy
tsy mba mandavo
raha nataoko safidy.




Ny sitrapon'Ny Avo
dia lalam-piadanana
mahay mampiravo
mendrika hotanana.




Ny sitrapon'Ny Avo
dia toky mampiranga
fa tsy hanjavozavo
izany lanitra manga !




Ny sitrapon'Ny Avo
dia hazavana marina
ka tsinjovy sy tiavo,
na toa saro-takarina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
42 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123