NY TEBITEBY MAFY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TEBITEBY MAFY




Ny tebiteby mafy
tsy nitsaha-nifafy
no nanosika hatrany
ho olona eto an-tany.



Ny tebiteby mafy
tonga nampihafy
no namoha torimaso,
na teo ny ranomaso.



Ny tebiteby mafy
feno ratra natafy
no nampijoro foana
ny tena, na ahoana ?



Ny tebiteby mafy
tsy mahalala rafy
no nitondra fitahiana
higagana any aoriana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
344 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155