NY TENY MALAGASY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENY MALAGASYNy teny malagasy,
tsarovy re ho sasy,
no efa niandohako
ka hany fiafarako.
Ny teny malagasy,
mainka mahakasy
fa teny lafo loatra
afaka hampivoatra.
Ny teny malagasy
no laza sy mba asy
feno ny hatsarany
mamiko aok'izany.
Ny teny malagasy,
ataoko foana rasy
fa harena sarobidy
katsahin'ity safidy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: