NY TOAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TOAKA





Mandoto ny toaka :
manimba ny tena
kanefa dia avoaka
vao fety no omena.




Mandoro ny toaka,
manary ny hasina
rehefa mitsoaka
sy mitsinkasina.




Mandoza ny toaka,
mandrava ny aina
rehefa mandoaka
'rony adin-tsaina.




Mamono ny toaka,
mila hampiveraka,
rehefa mandroaka
ny haja tanteraka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1423 1
Mpakafy: fanele
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0259