NY TONTOLO TSISY BOKY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TONTOLO TSISY BOKY




Ny tontolo tsisy boky
dia tontolo tsisy toky
fa hitombo fahalalana
sy fahaizana higagana
ny saina amam-panahy,
na rahoviana re, ry lahy.



Ny tontolo tsisy boky
dia tontolo tsisy zoky
hitondra itony fiainana
ho hafa ny fisainana
hampiranga fivoarana
misy fahasambarana.



Ny tontolo tsisy boky
dia tontolo tsy mamoky
ireo zava-tsoa sy harena
mifono lava fahendrena
hitan'ny hafa fa tsy ianao
mahavariana tsotr'izao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
239 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0175