NY VAVA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VAVA





Ny vava no tsy atao be,
ny mamerina azy no tsy laitra,
n'aiza n'aiza mandeha
no hafatra mba mampanaitra.




Ny vava no tsy atao be
sao iny no mahavonjy tokoa,
na rano indray mitete
no mba azo avy aminy aloha.




Ny vava no tsy atao be,
tsy fantatra izay ondry botry
ka sao hanenina ange
sy ho azon'ny vary sy akotry.




Ny vava no tsy atao be,
ny ampitso mbola misitery
tsy ilana izay rehareha
fa isainana mba tsy hamery.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1288 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011