NY ZAVA-MISIKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZAVA-MISIKO




Ny zava-misiko,
tsotra dia tsotra
rakofan'ny lisiko,
na aiza mipoitra.



Ny zava-misiko
vao sento izany,
zary trongisiko
tsy ho hita any.



Ny zava-misiko
vao ny hafaliana,
inty hamafisiko
ho be faniriana.



Ny zava-misiko
vao ketraka eny,
ezaka no sisiko
hiova lavareny.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
368 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117