NY FIFANAMPIANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIFANAMPIANA





Ny fifanampiana
dia fifankatiavana
mitrotro hafaliana
afa-mampihavana.




Ny fifanampiana
dia fifanohanana
mivoy hamamiana,
mivatsy fiadanana.




Ny fifanampiana
dia fifarimbonana
am-pirahalahiana
'reo sedra ironana.




Ny fifanampiana
dia fifanomezana
tanana hahaliana
ny fankaherezana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0336